Mba lehibe ry Tompo Andriamanitra o!

Mba lehibe ry Tompo Andriamanitra o

Ny asanao e ety aminay ety

 

Lehibe sady mahatalanjona ny asanao

Ry Tompo Andriamanitray heni-pahefana

Fa marina sy mahitsy ny lalanao

Ry Tompo mpanjaka tompon’ny firenena

Fa iza no tsy hatahotra anao ry Tompo

Mba zovy hoe ny tsy hanaja ny anaranao

F’Ianao manko no hany masina Andriamaitra o

Ka hoavy ny firenena sy ny isam-poko

Hiankohoka sy hitsaoka anoloanao

Fa efa niseho tokoa fa Mpitsara Ianao

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1107