Manomboka ety an-tany ny paradisa

Fiv : Manomboka ety an-tany e

Manomboka ety an-tany ny paradisa,

Raha isika olombelona e

Raha isika olombelona mifankatia.

 

1 - Ny Ray ao an-danitra ao, fitiavana tsisy fetra

Manolotra ny fitiavany e hiainantsika zanany e

Hozarazaraintsika amin'ny olombelona.

 

2 - Jesoa Mpamonjy antsika dia efa nahafoy ny ainy

Ho tahakan ny nitiavany e no hitiavantsika e

Fa izy no loharanon'ny hasambarana.

 

3 - Ny Tompo Fanahy Masina no monina amintsika

Fa Izy no mankahery e handresy fitiavan-tena e

Hanompo sy hanaso ny mpiara-monina.

 

4 - Izany fiaraha-monina aorina amin'ny fitiavana :

Ho tahaka ny any an-danitra e ny fiainana ety an-tany e

Hiravoravoan'ny zanak'Andriamanitra.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1556