Mankasitraka e ! Mankatelina

Fiv :
Mankasitra eee !
Mankatelina amin'ny soa rehetra nafafinao, ry Ray ô !
Ka misaotra eee !
Izay mba hany hery kely vitanay, ry Ray ô !

 


1 - Tsy azo atao hoe : olon-ko azy
Na vahiny intsony ianareo
Fa mpiray fanjakana, Ray ô,
Mankasitraka sesehena ny soa e !

2 - Tsy omby tratra ny haravoana
Nanome ny Zanakao ho anay
Ry Fanahy Zanahary Ray ô !
Mankatelina sesehena ny soa e.

3 - Novonjenao izahay, ry Ray ô !
Fa nafoinao hatrany ilay fitia.
Zanakao ilay sitrakao solovoina
Mankasitraka sesehena ny soa e !

4 - Izao fisaoranay izao, ry Ray ô !
Fantatray fa tsy hampitombo ny hasinao,
Nefa izay mba tsapanay hany herinay
Mankatelina sesehena ny soa.

 

 

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719