Lavitra akaiky

 

1. Lavitra akaiky ny eny aminao, Ray ô ;

Vavahady midàna, mankao an-tanàna

No tazako eto.

Ny lalana anefa toa ety dia ety ;

Kizokizo mifefy alan-tsilo mirenty

Tsy maintsy hombàna.

Faly, ravo, Mikopa-mosara ‘reo olom-boavonjy,Manainga ny foko ‘zay feno tolokoHiara-mifaly ao an-tranon’ny Ray ô ;Miredareda e ny faniriakoKa te hitroatra aho hiezaka,Koa tafio hery aho fa te ho eny aminao.

2. Lavitra akaiky ny eny aminao, Ray ô :

Mibaliaka hazavàna ny ao an-tanàna

Ka mambabo fo tokoa.

Ny manodidina anefa toa kitroka,

Haizim-be mitatao no ombàna mankao

Ka kivy sy ketraka.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0328