Lalina ho ahy ry Tompo Andriamanitra

Fiv :

Lalina ho ahy ry Tompo Andriamanitra ô,

Ny hitanisa ny Fitiavanao.

Notsimbininao, ry Tompo, 'zany fahantrako

Fa lalina ho ahy ny Fitiavanao.

Tompo ô, ny androko rehetra afoiko ho Anao,

Tompo ô, fa lalina ho ahy ny Fitiavanao.

 

1 - Mbola tsy niantefa taminao ny antsoko

Dia indro Ianao ry Tompo, manolo-tanana ahy.

Avia hoy Ianao, avia ho sakaizako

Ny foko ho anao miraiki-pitia.

 

2 - Hoy Ianao miteny : Aza mitsikera

Ireny otanao fa sao kivy ianao.

Fa avia, hoy Ianao, hanaraka ny diako,

Ny foko ho anao miraiki-pitia.

 

3 - Irony anatrao manjohy ny fanahiko,

Fanilo manazava mitondra fandresena,

Ny fiainako tontolo no hiaraka Aminao,

Fa lalina ho ahy ny Fitiavanao !

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011