Kristy velona

Kristy velona, Kristy Zanaka
No arahintsika, fa Mpamonjy antsika :
Izy no Fiainana, izy no Fiainana.
1. Raha te hovelona, aoka hanatona azy :
I Kristy no Aina, velona ao amin'ny Ray
2. Raha te-hifankatia, aoka hanatona azy :
I Kristy no Zoky, samy zanaky ny Ray.
3. Raha te ho sambatra, aoka hanatona azy :
I Kristy no Lalana miakatra ao an-danitra ao.
4. Raha te ho masina, aoka hanatona azy :
I Kristy no Hery, azy izao tontolo izao.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096