Iza moa Ianao ry Jesoa Nazareanina?

Fiv : Iza moa Ianao ry Jesoa Nazareanina ?

Tonga niara-nonina tamy zanak’olombelona

Tsy mba notompoina fa nilatsaka ho mpanompo

 

Tsy mba nanameloka na velom-pitsarana

Fatra-panamaivana ny fijalian’ny ory

 

Lalam-pitiavana no lala-nodiaviny

Herin’ny Fitiavany dia foiny hatramin’ny ainy

 

Nasandratr’Andriamaitra, nasandrany ho Tompo

Eny, fa Ianao tokoa no Zanak’Andriamanitra

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095