I Iaveh no mpiandry ahy

I Iaveh no mpiandry ahy
Inona moa no hahatahotra ahy ?
Isan’andro vaky tantanany aho
Ho any am-paradisany

 

Izy no Ray mivimbina ny aiko,
Sy manome hasoavan-dehibe :
Jesoa Kristy no tena mofon’aina,
Ka omeny ahy ho fihinako.

 

Ho sasa-poana izay mialoha ahy,
F’izaho anie arovan’i Iaveh :
Jesoa Kristy no tena famonjena,
Ka ny sitrapony tanterahiko.

 

Indraindray ny fiainana eto an-tany
Toa maizim-be, toa rako-drahona :
Jesoa Kristy no tena hazavana,
Ka omeny ahy ny faniloko.

 

Raha tonga izay handaozana ny tany,
Irery anie ny olombelona :
Jesoa Kristy no Zoky be fitia,
Ka omeny ahy mba ho tokiko.

 

 
 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102