Feno fiderana

1. Feno fiderana anao izahay, ry Ray ô,
Misaotra anao re

Noho ny soa sesehena izay nafafinao ho anay,

Misaotra anao re.

 

Misaotra anao izahay fa notiavinao e,
Fiderana no enti-misaotra ny anaranao e ;
Ny hafalianay no indro asehonay e
Ka misaotra anao, ry Rainay ô.

 

2. Fitsimbinana hatrany no natolotrao anay
Misaotra anao re ;
Fanehoam-pisaorana no hiarahanay mihira :
Misaotra anao re.

 

3. Ny fifankatiavana no natoronao anay,
Misaotra anao re ;
Tanterahinay hatrany izany hafatrao izany,
Misaotra anao re.


Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102