Eny tanteraka ny zavatra rehetra !

Eny tanteraka ny zavatra rehetra !

Masonay efa nahita, sofinay efa nandre

ny zava-mahagaga nataon'izy Tompo !

Masonay efa nahita, sofinay efa nandre

fa Zanak'Andriamanitra tokoa i Jesoa !

Izy no Amen ! Aleloia ! (2Kor. 1, 20)

 

1- Efa niseho tamin'ny mpifatotra an-tranomaizina

ny Anjelin'ny Tompo, nanapaka gadra, namoha hidin-trano,

naniraka hoe : "andeha, tantarao amin'ny havanareo

izay vitan'ny Tompo nataony anareo :

Fa mahery ny Fanahiny... !

 

2- Efa niseho tamin'ny mpanenjika ny olo-marina

ny Anjelin'ny Tompo nandefa hazavana, nanjemby ny maso,

naniraka hoe : "andeha, tantarao am'ireo efa mino

izay vitan'ny Tompo, nataony anareo :

Fa mahery ny Fanahiny... !

 

3- Efa niseho tamin'ny mpianatra niombom-bavaka

ny Anjelin'ny Tompo, niseho hita maso, nanampy hiteny,

naniraka hoe : " andeha, tanatrao am'ireo firenena

izay vitan'ny Tompo nataony anareo :

Fa mahery ny Fanahiny... !

 

4- Efa niseho tamin'ny mpianakavy izay tafavory

ny Anjelin'ny Tompo, nitondra hafaliana, nanolotra saina,

naniraka hoe : "endeha tantarao am'ireo efa mino

izay vitan'ny Tompo nanatony anareo :

Fa mahery ny Fanahiny... !

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1366