Endrey Mba Mahafinaritra

Fiv :

Endrey, Mba mahafinaritra loatra
Izany mpianakavy
Anatin’ny fifankatiavana
Miara-monina.

1 - Fa toy ny emboka manitra
Antranonao ry Ray
Izany fifankatiavana
Firaisankina re.

 

2 - Fa toy ny andon'ny lanitra

an-tendrombohitra

Izany fifankatiavana

Firaisankina re.

3 - Fa voatso-dranon'ny lanitra

arovan'Izy Ray

Izany fifankatiavana,

Firaisankina re.

4 - Fa sambasamban'ny lanitra

Onenanao ry Ray

Izany fifankatiavana

Firaisankina re

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0183