Ô ry Tompo tia anay

Ô ry Tompo tia anay !

Aza entina misedra izay tsy zakanay izahay,

aza avelanao ho irery

fa raha feno ny fotoana hiverenanao indray,

mbola hino ve izahay ?

 

1- Fa impiry moa 'zahay no esoina noho Ianao,

fa raha miezaka mitia 'reny zandrinao ireny !

Zary menatra izahay

fa lazaina mpanonofy

sy mpandrendrika vahoaka

Hanantena ny tsy misy !

 

2- Fa impiry moa 'zahay no vonoina noho ianao,

raha mikiry mampanjaka 'zany fahamarinanao !

Ny anarany lotoina,

ny fiainanay fofoina ;

tsisy toerana ho anay

am'izao tontolo izao

 

3 - Firifiry moa ny olona tsy mino Anao akory

nefa indro fa mahomby eo ambany masonay

Izahay iriny tsy mivaona

izay ataony igagana

azy izao tontolo izao,

ka voailika izahay !

 

4- Firifiry moa ny olona miandrandra famonjena,

ny finoanay anefa tsy mitombo fa mihena !

Olon-dresy hamavoina

olo- marina vonoina,

anirahanao anay,

nefa miahotra izahay !

 

5- Fa impiry moa Ianao no nilaza taminay

fa lalam-pamonjena no natolotrao anay :

Famonjena itokiana

tamin'ny hazofijaliana

efa nentinao nandresy

an'izao tontolo izao.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0865