ô ry Jesoa nalaina fanahy

O ry Jesoa nalaina fanahy

Hampiasa ny fahefanao

Hitadiavana soa hoan’ny tena

Fa naleonao nanaiky ny Ray

Tsy nanova ireto vato mba ho mofo hohaninao

Nefa nampitombo mofo hamelomana ny noana

Enga anie izahay koa tsy hamadika ny Ray

Ka ny fahefana azo hanasoavanay ny olona

 

 

 

O ry Jesoa nalaina fanahy

Hampiseho zava-mahavariana

Mba hinoan’ny olona Anao

Fa naleonao nanaiky ny Ray

Tsy mba nidina niala tamin’ny hazo fijaliana

Fa nanafaka ny ory, nanamainvana ny rofy

Enga anie izahay koa tsy hamadika ny Ray

Ka hampiasa ny herinay hanasoavanay ny olona

 

 

O ry Jesoa nalaina fanahy

Mba hanorina ny fanjakana

Amin-krey igagana eto an-tany

Fa naleonao nanaiky ny Ray

Tsy nandà ho faty Ianao ka ny hazo fijaliana

No porofo manambara ny fitiavanao anay

Enga anie izahay koa tsy hamadika ny Ray

Ka ny fomba iainanay hanasoavanay ny olona

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01