ENY ISAORANA HO AHO

         ENY ISAORANA HO AHO

1- Eny isaorana ho aho, Andriamanitra Ray
     Andriamanitra Rain'Izy Jesoa Mpamonjy
     Fa mangoraka hatrany, mitsimbina antsika
     Mampitony ireo fo, izay mijaly sy ory
     Amen, Aleloia, eny isaorana Ianao

2- Eny isaorana ho aho, Andrimanitra Vonjy
    Manasitrana antsika rehetra mijaly
    Mba ho afa-mamonjy, ny tra-pahoriana
    Dia ho toraka izay, efa vitany ho antsika
    Amen, Aleloia, eny isaorana Ianao

3- Dia ho torak'izay, efa vitany ho antsika 
     Raha miara-mijaly amin-janany isika
     Dia hanala alahelo, hamonjy ny ory
     Eny isaorana , ho aho, Andriamanitra Ray
     Amen, Aleloia, eny isaorana Ianao
 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01