Tompo o, mangovitra ny vava

1- Tompo ô, mangovitra ny vava,ary koa vahotra ny lela,
     Tojo ity 'lay andro iray nokasainay hatry ny ela.
     Tsy izahay no hendry indrindra, na koa mba mahay!
     Ka te hilaza hoe tsy mendrika izahay ( x 2)

Tompo ô! Tafahoatra ny fitiavanao anay!
Kristy ô! tsy toy izany no nitiavanay anao
Tompo ô! mamindra fo aminay, fa zandrinao izahay.

2- Kristy ô! Niaritra mangidy ianao nitia anay tety.
     Izahay tsy mba nahay nanaja ilay fitia;
     Fanantenanay ianao ka tsy mba miahiahy!
     Ka te hilaza hoe tsy mendrika izahay ( x 2)

Tompo ô! Tena fitiavana, mafy orina tokoa ny Anao
Tsy mihontsina mihitsy n'inon'inona atao.
Izahay 'zay fo vato no indro tonga indray!
Ka te hilaza hoe tsy mendrika izahay ( x 2)

     

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1372