MITODIKA AMINAO IZAHAY ZAGNAHARY BABANAY

  1– Mitodika aminao izahay Zagnahary Babanay

 

Ianao ilay Baba mpamindra fo,

 

Natokigny taminao e ! Nandika ny didinao e !

 

Nandaba ny sôfinay, tamin’ny hafatrao

 

  Tompo ô, tsy hagnano eky e!

 

  Tompo ô, tegna manegniny  e !

 

  Ireny hadalagna Tompo ô, ifonanay !

 

  Tompo ô, mamindra fo aminay

 

2– Mitsôtro aminao, zahay Kristy ô

 

Ianao Kristy zokinay

 

Ilay didim-pitiavanao e, nataonay an-kilabao e !

 

Nahilikilikay ny madiniky e

 

  Kristy ô, tsy hagnano eky e !

 

  Kristy ô, tegna manegniny  e !

 

  Ireny hadalagna Tompo ô, ifonanay !

 

  Kristy ô, mamindra fo aminay

 

 

3-Tsorinay aminao, ry Fanahy Masina ô !

 

Ianao ilay Fanahy Mpankahery

 

Fa tegna manegniny e, tamin’ireny hadalagna jiaby

 

Kay maso voa sakay, ny afara tandremagna.

  Tompo ô, tsy hagnano eky e!

 

 

Tompo ô, tegna manegniny  e !

 

  Ireny hadalagna Tompo ô, ifonanay !

 

  Tompo ô, mamindra fo aminay

 

 

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1229