Izahay 'Zay Nantsoin'ny Ray

1 - Izahay 'zay nantsoin'ny Ray

Ho mpandova tahaka Anao

Tsy nitandro ny fahamendrehanao !

Tompo ô, mamindrà fo aminay. (in-3)

 

2 - Izahay 'zay navotanao

Tamin'ny Ranao sy ny Ainao

Tsy namaly ny Fitiavanao !

Kristy ô, mamindrà fo aminay. (in-3)

 

3 - Izahay 'zay nantsoinao

Ho mpitondra ny hafatrao

Tsy nihaino ny Fanahinao !

Tompo ô, mamindrà fo aminay. (in-3)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097