IREO ZAVABOAARY, KYRIE ELEISON

1. Ireo zavaboaary nomenao anay ho zakainay
Nosimbanay, nopotehinay, nodoranay
Na rano izany na rivotra na tany
Ny zava-manana aina izao efa mila ho ringana.
Ireo taranakay ihany no finganinay,
ka mifona ree ‘zahay e

KYRIE , KYRIE, KYRIE ELEISON (2 fois)

2. Ireo ory tsy mba havan’ny manana
Ny samy maka ny ho azy indray no nampanjakaina.
Ny olombelona avy ataonay tsinontsinona
Araraotinay tsy mba misy fandeferana
Sahinay hatramin’ny mifofo aina
Ka mifona re ‘zahay e.

CHRISTE, CHRISTE, CHRISTE ELEISON (2 fois)
3. Ny fampianaranao tsy mba notandremanay
Na ny Vavakay aza nohamavoimavoinay
Ny fitiavanao dia tsy mba niainanay
Fa ny lolom-po no mibaiko ny fiainanay
Nefa Ianao efa nahafoy ny ainao ho anay
Ka mifona re ‘zahay e.

KYRIE , KYRIE, KYRIE ELEISON (2 fois)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096