Fantatrao Ray ô

1- Fantatrao, Ray ô, izay nafeniko hatrizao

dia ny otako rehetra tao anaty foko tao :

nosaronako, naleviko tsy hisy mpahalala !

Fantatrao, Ray ô, izay nafeniko hatrizao

Koa inty aho tonga fa niantso ahy ianao :

Izany fahotako izany no ateriko Aminao (in-2)

 

 

2- Fantatrao, Ray ô, izay nataoko taminao

Endrikao tsy nojereko, Teninao tsy nohenoiko

sy ny fiainako laniako tsy araky ny sitrakao !

Fantatrao, Ray ô, izay nataoko taminao

Koa inty aho tonga fa niantso ahy ianao :

Izany hadisoako izany no ifonako Aminao (in-2)

 

3- Fantatrao, Ray ô, izay kasaiko mbola hatao

faniriana sesehena tsy mifantoka Aminao :

ka mitrotro volohala sy mivimbina hakiviana !

Fantatrao, Ray ô, izay kasaiko mbola hatao !

Koa inty aho tonga fa niantso ahy ianao :

Izany tebiteby izany no atosako Aminao (in-2)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0234