'Zaho mino an'Andriamanitra

'Zaho mino an'Andriamanitra

Ray, Zanaka sy Fanahy

Andriamanitra tokana,

Tokana Olona telo.

 

'Zaho mino an'Andriamanitra

Ry mahefa be fitiavana,

Nanao ny tany aman-danitra e,

Na ny hita maso na ny tsy hita,

'Zaho mino an'Andriamanitra.

 

'Zaho mino an'Jesoa Mpamonjy

Naterak'i Maria Virjiny,

Nijaly sy maty ho antsika e,

Fa nitsangana tamin'ny maty ô,

Ary niakatra any amin'ny Ray.

 

'Zaho mino ny Fanahy Masina

Avy amin'ny Ray sy ny Zanaka,

Sy Loharanon'aina e,

Mpanamasina ny fanahy ô,

Mendrika haja sy voninahitra.

 

'Zaho mino ny Eglizy masina

'Zay manerana ny tany,

'Zaho mino ny batemy tokana e,

'Zay manala ny fahotana ô

'Zaho miandry ny fiainan-ko avy.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0626