Mino aho ry Tompo ampitomboy ny finoako

Mino aho ry Tompo ampitomboy ny finoako

Nahary ny tany sy ny lanitra
Ianao andriamanitra Ray
Mahefa ny zava-drehetra
Teninao ka inoako izany

Ianao no niteraka ny zanaka
Mpamonjy ny olona nanota
Nitafy ny fomban’olombelona
Naterak’i Maria Virjiny

I jesoa nijaly novonoina
Fa nitsangana tamin’ny maty
Ka mitoetra eo anilan’ny Ray
Mandidy ny zava-drehetra

Izaho mino ny Fanahy Masina
Ny Eglizy naorin’i Jesoa
’Zay rehetra ampianarin’ny Eglizy
Ny fiainana mandrakizay

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098