Mino aho Andriamanitra o

Mino aho aAndriamanitra o (2x)

Mino mafy aho izay voalazanao

Andriamanitra Ray mahefa a (mino aho andriamanitra o)

Nanao ny lanitra sy ny tany o

Sy ny zavatra hita maso ôo

Sy ny zavatra tsy hita maso e

Zaho mino an’i Kristy (mino aho mino aho)

Lay zanaka lahy tokana

Andriamanitra fahazavana

Andriamanitra fahamarinana

Nateraka izay fa tsy natao

Iray fomba amin’ny Ray

Ary izy no nahariana

An’izao tontolo izao

Ka isika olombelona

Sy ny famonjena antsika e

No nidinany avy an-danitra

Naka nofo t@ Maria o

Noho ny herin’ny Fanahy Masina

Ka tonga olombelona

Nofantsihana hoantsika Izy

Tamin’ny hazo fijaliana

Tamin’ny andron’i Pontsy Pilaty

Dia nijaly ary nalevina

Fa nitsangan-ko velona Izy

Tamin’ny andro fahatelo

Niakatra any andanitra Izy ee

Dia mipetraka eo an-kavanan’ny Ray oo

Mbola hoavy am-boninahitra aa

Hitsara ny velona sy ny maty oo

Ary tsy hanam-pahataperana aa

Ny voninahitra sy fanjakany oo

‘Zaho mino ny fanahy masina aa

Tompo sy loharanon’aina ee

Tsaohina sy omem-boninahitra aa

Miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka aa

Fa niteny mazava tsara Izy e

Tamin’ny vavan’ny mpanminany oo

‘Zaho mino ny Eglizy masina aa

Katolika apostolika aa

Mankato ny batemy tokana aho e

Ho fanalana ny fahotana aa

Miandry ny hitsanganan’ny maty aho e

Sy ny fiainana mbola hoavy oo

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107