E e, Zaho Mino fa Marina

Fiv : E e 'Zaho mino fa marina

 

1 - 'Zaho mino ny Tompo Ray,

'Zay nahary an'izao tontolo

Ary antsika olombelona.

 

2 - 'Zaho mino an'i Kristy Tompo

'Zay tonga olombelona

Mba hamonjy antsika.

 

3 - 'Zaho mino ny Fanahy

Mpanazava ny Eglizy,

Mpankahery antsika.

 

4 - Eglizy tokana sy masina,

Katolika, Apostolika,

'Zaho mino fa marina.

 

5 - 'Zaho mino ny hasambarana

'Zay hiadanana rahatrizay,

'Zaho mino fa marina.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205