Averina eto indray

Averina eto indray ny toky napetrantsika ;

Mandà an' i Satàna va ianareo ? Mandà !

Ny asany rehetra mamoafady ? Mandà !

Ny fireharehany manaraka azy ? Mandà !

Mandà va ianareo ?

Mandà, mandà, mandà izahay (indroa)

 

1. Moa mino an'Andriamanitra Ray mahefa a

Ny zavatra rehetra

Na miaina na tsy miaina,

Ny lanitra sy ny tany,

Na ny hita maso na ny tsy hita va ianareo a ?

 

Zahay miaiky sy mankatò, fa tena marina tokoa,

Marina e, marina a,

Marina a, marina a, ka mino izahay. (indroa)

 

2. Moa mino an'i Jesoa Tompo Zanak'Andriamanitra a

'Zay teraka sy nijaly,

Nitsangana tamin'ny maty,

Niakatra any an-danitra,

Fa mbola ho avy hitsara antsika va ianareo a ?

 

3. Moa mino ny Fanahy Masina sy ny Eglizy a,

Ny fiombonan'ny Olomasina,

Ny fanalana ny ota,

Ny fitsanganana amin'ny maty

Ary ny fiainana any ankoatra va ianareo a ?

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0672