Zovy no afaka hilaza fa nahita an'Andriamanitra ?

Zovy no afaka hilaza fa nahita an'Andriamanitra ?

Iza no efa nihaona tamin'ny Tompo ka nibanjina ny tavany?

Raha mifankatia anefa isika mianakavy dia ho sambatra !

fa monina eto anivontsika anie Andriamanitra Ray ! (Jn. 4, 12)

1- Ray ô, tsy miafina aminao ireny adim-piainana

atrehina isan'andro !

Isaoranay Ianao fa mifankatia izahay,

ka afa-mifanohana :

miombom-pifaliana, miombom-pijaliana ;

matoky manana Anao izahay, ry Ray ô,

satria miara-monina aminay tokoa Ianao

2- Ray ô, tsy miafina aminao ireny tonombavaka

asandratr'isanandro !

Isaoranay Ianao fa mifankatia izahay

ka afa-mira-mientana :

Manandram-pihobiana, mangata-pitahiana ;

matoky manana Anao izahay, ry Ray ô,

satria miombon'ezaka aminay ny Zanakao.

3- Ray ô, tsy miafina aminao ireny fiezahana

iarahan'isanandro !

Isaoranay Ianao fa mifankatia izahay

hijoro hanao ny marina :

miroso an-kasahiana fa feno fitokiana,

matoky manana Anao izahay, ry Ray ô,

satria momba anay hatrany ilay Fanahinao.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124