Tompo ô zany hafaliako

Tompo ô zany hafaliako

Fiv : Tompo ô, 'zany hafaliako

Zanakao nantsanganao e;

I Kristy no ato amiko :

Velona aho fa velona izy (in-2)

1- I Kritsy no masoandro be, hazavana avy aminao, ry Ray,

Izahay no toy ny tarany manazava izao tontolo izao.

 

2- Faniriana ny ho velona, vetsovetso ny ho sambatra ;

I Kristy no be fitiavana, Izy monina ato am-ponay.

 

3- Tia Anao 'zahay fa zanakao, Rainay tsy mbola hitanay

I Kristy eto afovoanay no mitaona anay ho Aminao.

 


Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1089