Ry Jesoa nalaina fanahy

1- Ry Jesoa nalaina fanahy,

hampiasa ny fahefanao

hitadiavana ny soa ho an'ny tena

fa naleonao nanaiky ny Ray

Tsy mba nanova ireto vato

mba ho mofo hohaninao,

nefa nampitombo mofo

hamelomanao ny noana.

Enga anie 'zahay koa

tsy hamadika ny Ray,

ka ny fahefana azo

hanasoavanay ny olona.

 

2- O ry Jesoa nalaina fanahy,

hampiseho zava-mahavariana

mba hinoan'ny olona Anao

Fa naleonao nanaiky ny Ray.

Tsy mba nidina niala

tamin'ny Hazofijaliana,

fa nanafaka ny ory

nanamaivana ny rofy.

Enga anie 'zahay koa

tsy hamadika ny Ray

ka hampiasa ny herinay

hanasoavanay ny olona.

3- O ry Jesoa nalaina fanahy,

mba hanorina ny Fanjakana

am'kery igagana eto an-tany

fa naleonao nanaiky ny Ray.

Tsy nandà ho faty Ianao,

ka ny hazofijaliana

no porofo manambara

ny fitiavanao anay !

Enga anie izahay koa

tsy hamadika ny Ray

ka ny fomba iainanay

hanasoavanay ny olona.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.067