Miara-mizotra

 

Miara-mizotra isika ho any
Jerosalema vaovao
Ka tsy hisara-mianakavy
fa hifanatri-tava amin'ny Ray
Mandrakizay ! (Apok. 21, 24 sy 22, 4)
1- Izao no ho tonga any am-parany any,
ny vohitra misy ny Tompontsika
dia hanerinerina ambony havoana,
ho sangan'ireo tendrombohitra avo.
2- Hirohotra ho any ny firenena,
hanao ranolava hifampitaona
"Andeha isika hiakatra ny tanàna
Fonen'Andriamanitr'i Jakoba.
3- Fa hanoro antsika ny lalany Izy
mba hizorantsika manaraka Azy
I Siona manko no loharano
Ipoiran'ny Teniny sy ny lalàny."
4- Ny Tompo hampihavana ny vahoaka
hitsara ireo adin'ny firenena
hovàna ny sabatra ho fangady
ny lefona ho antsy fijinjana.
5- Ho foana tokoa ny adim-pirenena
hitsahatra koa ny fianarana ady
tongava ianareo terak'i Jakoba
Atony ny Fahazavan'ny Tompo.
6- Hanantona hidera ny Ray isika,
fa avo sy Masina indrindra Izy :
nambarany antsika ny sitrapony
Ho masina tsy hanan-tsiny isika.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1145