Mesia sy Mpamonjy

Mesia sy Mpamonjy, tongava faingana aminay,
Hitondra ny fiainana : avia, avia re.
1. Ataovy maika ny dianao,
Hamonjy ny firenenay miandry hovotsoranao.
2. Esory re ny helokay ;
'Zahay mibebaka aminao, milela-paladia anao.
3. Tapahonao ny gadra vy
Famelin'i satàna anay, mijaly be ny taninay.
4. Avia re, ry Tomponay,
Fiainanay sy lalanay nadrasanay zay ela izay.
5. Efa renao ny hafatray,
Ka ataovy raisinay indray ny lova lasa taminay.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0755