Mahatehotia, mahasondriana ( Salamo 83 )

                     Salamo 83

Fiv: Mahatehotia, mahasondriana
       ‘Zany tranona, ry Iaveh.

1. Onena endrey ny fanahiko
    Misento manina ny kianjanao, ry Tompo:
    Mientana aminao ny foko sy ny nofoko.

2. Ny fody mahita fonenana,
    Ny sidintsidina mahita izay ankany:
    Endrey ny otelinao, ilay fonenanao, ry Tompo ô.

3. Sambatra izay monina ao,
    Dia sambatra tokoa midera Anao, ry Tompo:
    Dia sambatra izy ireo, fa heriny Ianao, Andriamanitra ô.

4. Ilay lohasaha karakaina
    No indro, Tompo ô, fa nisy loharano:
    Ka nankahery anay, tsodrano fanambinana re!

5. Nandroso izahay ka niakatra,
    Dia tody soa aman-tsara eto anatrehanao:
    Mivavaka aminao, ka mandrenesa Ianao, Andriamanitra ô.

6. Ry Tompo Andriamanitr’Israely,
    Henoy fa miantso Anao ilay vahoakanao:
    Ilay voahosotrao tazano fa miandrandra Anao.

7. Aleo andro iray, Andriamanitra ô.
    Aty an-tranonao, ho eto akaikinao:
    Toy izay arivo taona miaraka amin’ny olon-dratsy.

8. Ampinga sy manda ny Ray anie,
    Ka reharehanay ilay nanao ny aina:
    Mba sambatra tokoa izay matoky Anao, Andriamanitra ô.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0677