Kristy velona, Kristy Zanaka

I Kristy velona, Kristy Zanaka,

no arahintsika, fa Mpamaonjy antsika.

Izy no fiainana.

 

1- Raha te-ho velona, aoka hanantona Azy

I Kristy no Aina velona ao amin'ny Ray.

 

2- Raha te-hifankatia, aoka hanantona Azy

I Kristy no Zoky samy Zanaky ny Ray.

 

3- Raha te-ho sambatra, aoka hanantona Azy

I Kristy no Làlana miakatra ao an-danitra ao.

 

4- Raha te-ho masina, aoka hanantona Azy

I Kristy no Hery, Azy izao Tontolo izao

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099