Fantry ny Ray ka entiny ao am-pony

1- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,

'Reo zanany enjehina, hidina an-tranomaizina :

anaovana herisetra sy verezin-jo tanteraka ;

'reo zanany mioitra miantsoantso rariny :

giazana fatorana... fa mendrika famaizana !

Fantatry ny Ray !

 

Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak'Andriamanitra

ho very maina foana 'zao fahoriana izao... !

 

2- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,

'Reo zanany madinika mitrongy vao mba homana :

tolorana ambim-bava ireo ho tamby fampanginana ;

'reo zanany fitahina amy lainga tsara lahatra :

tiavina, tiavina ho tohatra fiakarana !

Fatatry ny Ray ... !

 

3- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,

'reo zanany ialonana, fofoina sy somparana :

azera raha mijoro, finganina raha miarina ;

'reo zanany rorana, ka esoina raha miezaka :

kanefa dia latsaina raha kivy fo tanteraka !

Fantatry ny Ray ... !

 

4- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,

'reo zanany tomany fa nidonam-pahoriana :

milofika irery tsy mba manan-kianteherana ;

'reo zanany nanota ka ihofana torahana :

tondroina hoe voaozona, tsy mendrika ho velona !

Fantatry ny Ray ... !

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103