ATO AMIKO NY FANAHY

ATO AMIKO NY FANAHY

 

1 – Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin’ny Tompo

Fa nanosotra hitory Vaovao Mahafaly

Amin’ny malahelo sy naniraka ahy

Hankahery izay torotoro fo

 

Ampio aho, tantano am-pitiavana aho Jesoa, ô

Fa raha ny heriko ihany dia ho kivy an – dalana aho

Hanatontosa ny irakao no mamiko (Jesoa ô)

Fa omaly, anio ary mandrakizay

Tsy miova ianao, Jesoa ô.

 

2 – Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin’ny Tompo

Hitoriako fahafahana amin’ireo izay voafatotra

Fahiratana ho an’ny jamba ary koa fahafahana

Amin’ireo izay ampahoriana.

 

3 – Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin’ny Tompo,

Mba hampionona izay tra – pahoriana rehetra

Ao anatin’ny fanompoana sy fandavan – tena

Am – pitiavana hatramin’ny farany.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01