ATAOVY MANAKOAKO

ATAOVY MANAKOAKO

 

Ataovy manakoako ny hoby

Derao Andriamanitra ry tany tontolo

Ihirao voninahitry ny anarany

Tolory fanompoana, fiderana azy ny Tompo (indroa)

 

Lazao izy mihira hoe :

Lehibe, mahatahotra ny asa vitanao,

Andriamanitra!

Lazao izy mihira hoe :

Reo fahavloanao miaiky

Ny herinao miezinezina!

 

Lazao izy hihira hoe:

Ny tany tontolo miankohoka anoloanao!

Lazao izy mihira hoe:

Mihira ho anao izao tontolo izao!

Mihira miantsa ny anaranao (indroa)

 

1-       Avia ianareo mba higaga ny asan’ny Tompo,

Mampihorokoditra ny olombelona ny vitany!

Izy nanova ny ranomasina ho tany maina,

Afa –niampita ny onibe ‘reto tongotray!

Teo izahay no nanao lanonana ho azy. (indroa)

 

2 – Mahery izy moa, tsisy fetra ny fahamboniany,

Hanara mason y firenena rehetra.

Ka aoka tsy hidigin-drambo ireo mpikomy,

Ankalazao ny Tompo, ô ry vahoaka!

Aoka hanakoako ny antsa ho Azy (indroa)

 

3 – lay Andriamanitra mpamelona aina anay,

Tsy mba mamela ny tongotray ho solafaka,

Fa nosedrainao izahay toy ny volafotsy , ry Tompo ô

Tianao ho nandalo fitsapana ny dianay

Torotoro ary valalanina izahay e.

 

4 – Navelanao ny ratsy hamoritra any e,

Ho toy ny biby folahina hoenti-manompo

Ampandalovina anaty afo ny lalanay e,

Ao ny rano mangeniheny no nidiranay!

Fa navoakanao izahay norosoanao sakafo (indroa)

 

5 – Mahatalanjona, ry Andriamanitra, ny lahatrao

Ny famonjena ny olona no sitrakao

Ny zanakao no nisolo voina mba ho zanak’ondry

Ary ny Rany sy ny Fanahy no mpamelona aina!

Ankalazaina ny asanao, ô ry Ray (indroa)

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329