Andeha an-kafaliana hanatrika an'Andriamanitra aho ê !

Andeha an-kafaliana hanatrika an'Andriamanitra aho ê !

Any an-tendrombohitra masina,

ny tebitebin-tsaiko, ny ahiahim-poko, ny hadisoako,

tsy mahasakana ahy tsy hanantona anao Tompo ô !

 

1- Hitako ny fahorian'ny vahoakako any Ejipta

henoko ny sentosento sy ny tarainany

ka irahiko ianao mba handeha hanafaka azy

fa homba ano hatrany hatrany anie Aho.

 

2- Eny ry Tompo, fa iza moa no Anaranao,

Ary omeo famantarana aho fa irakao ;

tsotra dia tsotra ny Anarako hoy ny Tompo

"Andriamanitra Velona" hoe no naniraka anao.

 

3- Efa naniraka ny Zanany tiany Andriamanitra

f'izany no nanambaràny ny tena fitiavany,

nanangana antsika tao amin'ny Fanahiny Izy

nanandratra antsika hiara-mandova amy Zanany.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0263