ISIKA VORY ETO IZAO
FIV: Mifankatiava, mifankatiava, mifankatiava ianareo
Izay no ahalalana fa mpianatro, raha mahay mifankatia
1- Isika vory eto izao, no mpirahalahy mian'ala
Izaho anie ho tokinao, ianao kosa ho tokiko
2- Isika vory eto izao, no toy ny rano sy vary
Ka na an-tsaha na an-tanàna anie, tsy hifanary tsy hifandao
3- Isika vory eto izao, no trano atsimo avaratra
Izay tsy mahalena ihany anie, no ndeha hialofantsika