Ndreto izahay Tompo

Ndreto izahay Tompo ô ie

Hanolotra sorona ie

Ambony ôtely ao an-tranonao Ray

Fiv : Andriamanitra velona tia anareo

Andriamanitra velona tomponareo

Andriamanitra velona andrasanareo

Andriamanitra velona ao aminareo

Indro ny mofo a ie

Atolotray a ie

Ovay ho vatan’i Jesoa Mpamonjy

Inty ny divay a ie

Atolotray a ie

Ovary ho Ràn’i Jesoa Mpamonjy

Ny asanay a ie

Ny fiainanay a ie

Ovay ho Tenan’i Jesoa Mpamonjy

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0557