Mofo madio tsy misy lalivay

 

Mofo madio tsy misy lalivay,

No atolotry Anao

Mba ekeo ry Ray ny tolotray,

Mba ho vatan’ny Zanakao

Ankasitrao tsara sy ovay,

Ho sakafo mahay mampiray

Ho vatan’ i Jesoa Kristy,

Hampahery anay

 

Ranomboaloboky ny sahanay,

No inty atolotra anao

Raiso ny divay ary ovao,

Mba ho Ràn’ny Zanakao

Lay Rà nalatsany ho havotray,

Ka afoiny eto indray izao!

Hamonjy anay mandrakizay

Ka mba raiso ry Ray.

 

Ray ô mba raiso re ny tolotray ;

Fa madio sy mendrika Anao

ofo sy divay no entinay,

Mba ho tenan’ny Zanakao

Entanin-karavoana ny fonay,

Tafavory eto anio izao

Akambanay ho fo iray,

Ho Anao ry Ray.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0632