Eny ho aho ry Tompo

Eny, ho aho, ry Tompo, Atolotray anao Zay mba kely vitanay e

Eny an-tany ety (indroa)

 

1.Vonin-tenina maivana ihany e
No fanatitra mba entinay,
Fo miezaka ho tia anao, Tompo ô,
No hanampy sy atolotra anao.
2. Antonona anay mpanome izy ireo
Fa tsy mendrika ny voninahitrao ;
Ireo anefa no azo natao, Tompo ô,
Ka mba raiso raha sitrakao.
3. Tebiteby mameno ny saina e,
Ny kilema no be ao anaty :

Mba levony amin’ny fitiavanao, Tompo ô,

Ho fanatitra mendrika anao.
4. Ireo fanatitra dorana, Tompo ô,
Tsy ekena homena ny Ray

Fa ny hasin’ny Tenanao kosa e,

No sorona mendrika indrindra.
 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723