Atolotro anao

1 Atolotro anao, Andriamanitra ô,
Atolotro ny tenako rehetra ;

Omeko anao ho varo-tsy mifody :
Ry Tompo ô, raiso re raha sitrakao.

 

Mba raiso na tsy mendrika aza,
Mba ho anao mandrakizay.

 

2 Izaho anefa olona mpanota
Ny sitrapo malemy sady osa ;
Kanefa re matoky ny fonao :
Ry Tompo ô, ianao no heriko.

 

3 Mba sambatra aho fa manompo anao,
Ny heriko natokako ho anao ;
Hatramin’ny fara fofon’aiko,
Ry Tompo ô, tsy hivadika aminao.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0248