Ry Fanahy nomena anay

Fiv :

Ry Fanahy nomena anay,
mampiray ny tenanay
amin'ny Ain'i Kristy.


1- Ny asanao no ahalalana
fa i Jesoa Tomponay
Nietry tena hanompo anay
dia Andriamanitra tokoa.


2- Noho ianao nomena anay re :
tonga Zanak'izahay;
'zao Ianao fanahinay
mampifankatia anay.


3- Herinao no mampandreny
eo anivom-pijaliana
hafaliana latsa-paka
'zay manentana hitraka.


4- Bitsikao no manazava
'Zay miseho amy fiainanay
ka ahafahany mandray
'zay lazain'i Jesoa anay


5- Aminao no loharano
isotroanay dieny izao
haravoaka sy hafaliana
santatr'ilay any aoriana

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0572