Homeko ny herin'ny Fanahy ianareo

Homeko ny herin'ny Fanahy ianareo
ka ho vavolombeloko
hatrany am-paravazan-tany (Asa 1,8)


1- Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany !
fa ny tanany no namonjy nanampy azy ny herin-tsandriny.

Ka dia hitan'ny firenena ny famonjena amam-pah'marinany !
mba tsarovy ry Isiraely
ilay fitiavany tsy mivadika

 

 

2- He zahao e, ry vazan-tany izato vonjin'Andriamanitra
Ô ry tany, derao ny TompoKa mientàna amin-karavoana !
'Ndao, antsao am-baliha ny Tompo anaovy antsa sy fihobiana
feon'antsiva sy anjomara
enti-midera ny fiandrianany !

 

 

3- Aoka hidoboka anie ny rano ny ranomasina sy ny mponiny !
ka hitehaka anie ny ony ;
hitotorebika koa ny vohitra.
Mba hitsena ny Tompo tamy hitsara ny olona tsy ankanavaka.
Ary hitsara ny firenena am-pahamarinana sy ara-drariny.

 

 

4- Andredony antsa vao ny Ray fa mahagaga ny zava-bitany
he ny Zanany no maneho
'Lay famonjena efa nosoritany.
Ny Fanahiny manan-kery afa-manentana antsika zanany
hanambara amin-kasahiana ilay fitiavany tapitr'ohatra !

 

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098