Avia Ry Fanahy Masina

Fiv : Avia ry Fanahy Masina o,

Arotsahy re avy any an-danitra

Ny tsirim-pahazavanao.

 

1 - Avia re, Ry Rain'ny malahelo,

Mpizaraza fanomezan-tsoa ;

Avia re, Mpisolo vava anay.

 

2 - Avia, ry Mpanafaka alahelo

Fa maminay e ny honenanao ;

Avia re, Mpamelombelona o.

 

3 - Fiadananay raha sendra ka mijaly,

Fialofanay raha sendra maina andro :

Avia re, Mpanambitamby anay.

 

4 - Fenoy ny tsirim-pahazavanao

Ny fon'izay rehetra mino Anao ;

Avia re, ry Hasambaranay.

 

5 - 'Zahay anie raha sendra ilaozanao,

Dia zava-poana, feno fahotana ;

Avia re, ry Mpankahery anay.

 

6 - Diovy re ny fo 'zay feno ota,

Ka tsofy rano tsy ho karakaina ;

Avia re, sitrano ny fonay.

 

7 - Lefaho re ny olona maditra,

Ny matimaty ovao ho maimay ;

Avia re, Mpanitsy dia anay.

 

8 - Ireny fanomezanao fito :

Omaeo anay vahoaka mino Anao ;

Avia re, matoky Anao zahay.

 

9 - Omeo any ny hatsaram-panahy,

Ny famonjena nony miala ety :

Omeo anay ny hasambaranao.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0886