Vonona aho Tompo

 

1. Vonona aho Tompo, hiaraka aminao,

Ka manolo-tena hofehezinao

tsy ny tena ihany no omeko izao

Fa ny fo, fanahy, raiso, anjakao.

 

Feo I

 

Raiso aho, Tompo ô,

Raiso ho anao ;

Raiso fa omeko izao

'Zany fo, fanahy, raiso, anjakao.

 

Feo II

 

Raiso aho, Tompo ô, hiaraka aminao,

He manolo-tena hofehezinao ;

Tsy ny tena ihany no omeko izao,

Fa ny fo, fanahy, raiso, anjakao.

 

Feo III sy IV

 

Raiso aho, Tompo ô

Raiso aho, raiso ho anao :

Tsy ny tena ihany no omeko izao,

Fa ny fo, fanahy, raiso anjakao.

 

2. 'Zao no fikasako 'zay irin'ny fo :

Ho mpanomponao, Tompo manan-jò

Raha ny eto mantsy mety mora lo,

Fa ny teninao no maro mpakatò.

 

3. Raha avy ny fotoana 'zay hialako ety,

Hafoiko mantsy ity tany ity :

Ao i Jesoa Tompo Zokiko ary,

Hovantaniko any raha miala ety.

 

4. Raisonao ny foko, tairo ka hetseho,

Ka ny fahotako, eny mba koseho ;

Ao ny herinao, Tompo, no hiseho,

Fo maniry anao no entiko maneho.

 

5. Vonona aho, Tompo, ho anao mandrakizay,

Ho anao irery, ho anao ry Ray :

Voadin'ny foko, ho doria izao,

Hatreto ka any an-danitra any,

Tany andrasanay.

 

6. Vonona aho, Tompo, hampanjaka anao,

Ary koa hanitatra hatraiza hatraiza

Ny fanjakanao, na inona hanjò,

Raha mbola an-tany, ka tahio re.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0664