Tompo o hamasino ny fianakaviana

TOMPO O HAMASINO NY FIANAKAVIANA

1 - Tompo ô hamasino ny fianakaviana
    Isan-tokatrano eto aminay
    Ahita fitia Aminao anie zahay
    Ka hifidiananao Pretra sy Relijiozy


2 - Ary mba miantsoa Pretra sy Relijiozy
    Eto aminay amin'ny fianakavianay
    Mihavana aminao, tia ny olombelona
    Mitory ny Evanjely, hanambara ny marina
    

3 - Olona tapa-kevitra manoka-tena marina
    Marisika mitady hanara-dia anao
    Faly amin'ny antsonao, manohy ny famonjena
    Tsy gaga, tsy kivy, mikemo amin'ny manahirana



Isan'andininy: Izahay kosa miaraka Aminao
                                Miaraka Aminao zahay e! mitsodrano azy
                                Mitsodrano azy mba ho tody soa
                                Mba ho tody soa sy haharitra
                                Ho voninahitr'Andriamanitra

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222