Sahy manolotra ny ainy

Sahy manolotra ny ainy, ho an'ny ondriny rehetra
Ny mpiandry ondry tsara
Ka ny rany sy ny tenany dia afoiny manontolo
Ho sakafon'izy ireny

Izy Tompo no mpiandry, zaho kosa ondry fiandriny
Tsy mba ory n'inona n'inona
Ary vilo-maintso hatrany no ampialany sasatra ahy
Moron-drano mahatony no hitondrany ahy hatrany
Mahavelom-bolo ery
Ary lalam-pahamarinana ho itarihany ny diako
Ho voninahitry ny anarany

Raha mandalo lohasaha, lohasaha mahafaty
Dia tsy misy atahorako!
Fa eo ianao aman-tehina sy kibay miaro ahy
Ny fahavalo manoloana izaho rosoanao sakafo
Ary indro ianao manosotra diloilo izany lohako
Fa safomorona ny ziogako
Enin-kasambarana aho.


 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0441