Moa ve tia ahy ianao?

Moa ve tia ahy ianao

Ka ho vonona hamahana ireo zanak’ondriko ?

Eny, Tompo ô, fantatrao fa tiako Ianao

 

Ianao mahalala ny zavatra rehetra Tompo o

Ka fantatrao tokoa fa tiako ianao

Na mafy dia mafy ary sarotra ny adidy iantsorohako

Ho toky maharitra ny fitiavako anao

Nirianao hatrany aho ary mamiko ianao

 

Moa ve tia ahy ianao

Ka hiambina ny ondriko amiin-kerim-po tokoa ?

Eny Tompo ô, fantaatrao fa tiako Ianao

 

Moa ve tia ajy ianao

Ka hitondra ny reniondriko amin’ny lalam-pahendrena ?

Eny Tompo ô fantatrao fa tiako Ianao

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0755