Jesoa Mikaroka Mpiasa

1 - Jesoa mikaroka mpiasa vaovao

Hanitatra ny fanjakany eto an-tany ;

Zovy no mendrika izany lazao

Ho mpiasa malaza no sady mahay.

 

Fiv : Avia re ho mpiasan'ny Tompo ianao ;

Avia re fa Izy hanambina ny asanao.

 

2 - Miandry dia miandry antsika Izy izao

Hamonjy ny asa tsy misy mpanao ;

Anisan'ny vonona ve ianao

Hamadika bainga, hanamboatra ny ao ?

 

3 - Andeha hirotsaka izao isika izao

Hamaly ny antson'ny Tompo nekena :

'Reo vato misakana esory tsy ho ao,

Ny ratsy mitarika, tohero, reseo.

 

4 - Raha tojo ny sarotra ao ianao,

Ka mila hitsoaka sy ho kivy ianao,

Herezo ny vavaka, io no fanao :

Ny herin'ny Avo hamonjy Anao.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0936