INTY AHO JESOA O

1. Inty aho Jesoa ô, hanara-dia Anao
Herezo isan’andro mba ho tody soa
Manolo-tena aho ho Anao mandrakizay
Ho sanatriaviko ny hivadika.

2. Efa fantatrao tokoa, ny fahosako izao
Herezo re ny diako mba ho tody soa
Manolo-tena aho ho Anao mandrakizay
Ho sanatriaviko ny hivadika.

3. Marobe ny vokatra, vitsy ny olona
Hanolo-tena aho ho an’ny sahanao
Ataoko avokoa, ho hefaiko an-jotom-po
Ny asanao Jesoa ; matokia re.

4. Ry Fanahy Masina ô, Midina ato aminay
Herezo re ‘zahay hitory ny hafatrao ry Ray
Hitory teny soa an-kasahiana
Fanahy Masina ô, midina re.

Fiv. : Raiso aho Jesoa fa tiako anie Ianao
Sitrapoko ny hanara-dia Anao
Ny fiainako tontolo no voababonao
Manantena aho fa ho raisinao (in-2)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104