Fiv :
Ianao ny taninao, ialao ny sahanao
Ialao ny tanindrazanao
Ialao ny tranonao sy izao tontolo izao e
Ka avia manaraka Ahy ianao.
Ialao ny rainao, ialao ny reninao,
Ialao ny zoky, zandrinao
Ialao ny havanao sy ireo sakaizanao e
Ka avia manaraka Ahy ianao.
1 - Aiza moa Ianao, ry Tompo o
'Nty aho fa miantso ahy Ianao.
2 - Mitenena Ianao, ry Tompo o
Mihaino ny mpanomponao.
3 - Efa vonona aho, ry Tompo o
Hitondra ireo hafatrao.
4 - Tsofy rano aho, ry Tompo o
Hanilo izao tontolo izao.